tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fandriampahalemana

Afera, kidnapping, fahafatesana hafahafa,… Inona marina no ao ambadik’ireo tranga any Aloatra ?

Sesilany ireo tranga hafahafa ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro tato ho ato. Maty tao anaty hotely fandriam-bahiny iray ao Ambatondrazaka ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Anororo distrikan’Amparafaravola Atoa Andrianony Vahiny

15-mars-2023

Sample post image

Cyrille Damien François na Toutou Damien no ahafahantaran’ny maro azy. Marihina fa ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny IRK ny tenany. Tranga niseho io omaly 14 martsa 2023 io tamin’ny 10 ora maraina izy io. Notaterin’ny fampahalalam-baovao iray moa, fa nisy vehivavy iray izay voalaza fa mpiara-miasa aminy no niaraka niditra taminy tao tamin’io andro io. “Gaga anefa ny mpiandry ny hotely, ora vitsy taorian’izay raha nantsoin’ity vehivavy izay niaraka taminy ity, fa tsy nahatsiaro tena ity lehilahy niaraka taminy”, hoy ny fitantarana. Nezahina nentina teny amin’ny Hopitalin’Ambatondrazaka, saingy tsy tana intsony ny ainy. Raha ny fanamarihana voaray, trano fandraisam-bahiny roa no nidiran’ity olom-boafidy ity satria ny alahady teo dia voalaza fa tao amin’ny M.I ary afak’omaly tao amin’ny M.H. Mbola feno misitery ity raharaha ity, ka andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Voalaza mantsy fa mampiahiahy ihany, raha ny voalazan’ny mpitsabo nanao ny fitsirihana sy ny fizahana ny razana. Fanontaniana hafa mbola mipetraka ny hoe: sao misy ifandraisany ihany koa amin’ny raharaha “kidnapping” izay malaza any Alaotra itony tranga hafahafa itony? Misy mantsy ny sary niarahan’olona maromaro ahitana ity ben’ny tanàna namoy ny ainy ity sy ilay lehilahy iray antsoina hoe: Fano izay ifampitadiavan’ny mpitandro ny filaminana, ka betsaka no mety ho alaim-panahy hieritreritra hoe: sao sanatria mifandrohy amin’izany? Mampametra-panontaniana ireo toe-javatra hafahafa misesisesy any Alaotra hoe: fa inona marina no ao ambadik’ireo raharaha toa sesilany miseho? Tany Alaotra teo amin’ny tantara no nisy governora voatonontonona ho nanao toetra tsy mamoafady tamina tovovavy vahiny, izay nesorina tamin’ny aogositra 2022. Mandeha raharaha fandripahana sy fitondrana voamboana tsy ara-dalàna tany amin’ny oktobra 2022 izay depiote no voalaza fa mpanome fahazoan-dàlana saingy vitavita ho azy tsy misy tohiny, dia mbola tany Alaotra ihany. Mandeha raharaha “kidnapping” izay misy mpiara-miasa amina depiote voarohirohy sy ifampitadiavana saingy mbola tsy hita. Tany amin’ny jona 2022 aza dia vadina depiote iray sy ny fiarany no voalazan’ny lasibatra fa hitany tamin’ny raharaha “kidnapping”. Vao andro vitsy ilay famonoana mpampianatra sy ny zanany sy nitifirana olona 4 voalaza fa tompon’antoka,… Toa tena mikorontana na akorontana ambony ambany mihitsy ity faritra ity sy ny fiarahamonina ao aminy mba ahafahana mandroba sy manao tantely afa-drakotra ao aminy angamba satria tena manan-karena I Alaotra Mangoro?
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fandraisana mpitandro filaminana Mila matotra sy hentitra kokoa ny fepetra sy sivana
02-juin-2023

Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,

Card image cap
Polisim-pirenena Olon-dratsy 255 tamin’ireo1442 nosamborina no maty
02-juin-2023

Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.

Card image cap
Ministeran’ny filaminam-bahoaka Foto-drafitrasa 45 no naorina tao anatin’ny efa-taona
02-juin-2023

Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.

Card image cap
Mpanendaka tratra teny isotry Nahitana diana seringue fitsindronana rôrô ny tanany
01-juin-2023

Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.

Voir plus