sarona tao Toamasina
Saron’ny Polisim-pirenena tao Toamasina ny vola sandoka mitentina 600 tapitrisa ariary, saika haparitaka tao Toamasina. Tamin’ny 6 novambra 2026 no nahitana izany teny amin’ny manodidina ny Lycée II Suburbain, nandritra ny hetsika notanterahin’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fandikan-dalàna ara-toekarena ao amin’ny DRSP Atsinanana, raha ny tatitra ofisialy navoaka omaly. Araka ny nambaran’ny manam-pahefana, vaovao azo avy amin’olom-pirenena iray no nitarika ny fanombohan’ny fanadihadiana. Nandritra izany no namorian’ny mpanao famotorana porofo sy vaovao isan-karazany nahafahana nanara-dia ireo olona ahiahiana ho tafiditra ao anatin’ny tambajotra mpanao sy mpanaparitaka vola sandoka. Niafara tamin’ny fisamborana vehivavy iray, 39 taona, ny fikarohana natao. Omaly alarobia 11 novambra 2026 izy no voasambotra nandritra ny vela-pandrika nokarakarain’ny mpitandro filaminana. Heverina ho isan’ireo olona manana anjara toerana lehibe amin’ity raharaha ity izy, araka ny voka-panadihadiana voalohany. Nandritra ny fisavana ny tranony dia nahitana milina fanontam-pirinty roa, izay ahiahiana fa nampiasaina tamin’ny fanamboarana ireo vola sandoka sarona. Nogiazana avy hatrany ireo fitaovana ho porofo enti-manamafy ny famotorana. Mbola tazonina eo am-pelatanan’ny Polisim-pirenena ilay vehivavy amin’izao fotoana izao, raha mbola manohy ny fanadihadiana ny mpanao famotorana mba hamantarana ireo olona hafa mety ho voakasika amin’ity raharaha ity. Rehefa tapitra ny famotorana dia hatolotra eo anivon’ny Fampanoavana izy, ka any no hamaritra ny tohiny ara-pitsarana amin’ity dosie momba ny famokarana sy fampielezana vola sandoka ity, hoy ny tatitra. Tsiahivina fa heloka bevava henjana ny fanaovana, fanovàna na fampielezana vola sandoka araka ny voalazan’ny Fehezan-dalàna famaizana malagasy. Araka ny andininy faha-132 sy ny manaraka, izay miresaka momba ny "faux monnayage", dia saziana asa an-terivozona mandra-pahafaty (travaux forcés à perpétuité) izay tratra manamboatra na manova vola ara-dalàna, na mandray anjara amin’ny famoahana sy fampielezana izany. Ahitana ihany koa ny fandraisana ireo fitaovana sy milina nampiasaina tamin’ny fanamboarana ireo vola sandoka.
Toky R