airtel

Fandriampahalemana

12-nov-2026

VONO

OLONA MAHATSIRAVINA

Sample post image

Renim-pianakaviana sy ny

12-nov-2026

zafikeliny norasarasina sy notapahan-doha
Renim-pianakaviana iray 48 taona sy ny zafikeliny vao 6 taona monja no fantatra fa nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Niara-hita tany ivelan’ny trano fonenan’izy ireo ny vatana mangatsiakan’izy mianaka. Tao amin’ny Fokontany Bejangoa, Kaominina ambanivohitr’i Trangahy, Distrikan’Antsalova, Faritra Melaky no nitrangan’izany omaly Alarobia 11 Novambra maraina tokony ho tamin’ny 8 ora. Feno dian’antsy ny vatan’izy ireo, ary nahitana soritra fa niharan’ny herisetra mahatsiravina koa. Vao mainka nampihoron-koditra ny zava-nitranga ankoatra izay. Notapahin’ireo nahavanon-doza mihitsy ny lohan’ilay zaza, ary nentin’izy ireo niala teo amin’ny toerana nahitana ny razana izany ka nifampitadiavana. Tsiahivina fa mihamahazo indray ny vono olona eto amintsika. Tsy mitsitsy ireo mpanao ratsy fa hatao mahita faisana avokoa izay tratrany saingy ireo ankizy sy vehivavy no tena betsaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nahitana ny razana !
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

Vola sandoka 600 000 000Ar

Card image cap
12-nov-2026

Vehivavy iray hita faty tao an-trano

Card image cap
12-nov-2026

Maty voatsatok’antsy i Calvine,

Card image cap
11-nov-2026

Ahiana ho niharan'ny herisetra ara-nofo

Card image cap