Vehivavy iray no hita faty tao an-tokantranony tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Fanjanirina Daisy Elkins no anarany, tranga niseho tao Anjôba Ampasipotsy, P/lle 5, Fenoarivo Atsinanana, omaly Alarobia 11 Novambra folakandro. Araka ny fanazavan’ireo mpifanolo-bodirindrina aminy dia tsy mahazatra ny tsy fahitana an’Itompokovavy hatramin’ny omaly maraina. Nanaitra iretsy voalohany izany ka rehefa nojeren’izy ireo ny tao an-trano dia hita fa efa tsy nisy aina intsony izy. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny taorian’izany. Raha ny fantatra dia mipetra-drery tao Fenoarivo Atsinanana Itompokovavy, fa any Toamasina kosa no misy ny fianakaviany. Mbola tsy fantatra mazava araka izany anton’ny fahafatesany. Ireo mpiara-monina no mikarakara vonjimaika ny razana hatramin’ny omaly eo am-piandrasana ny fahatongavan’ny havany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo an-dRatompokovavy !