airtel

Fandriampahalemana

11-nov-2026

TOVOVAVY

16 TAONA HITA FATY

Sample post image

Ahiana ho niharan'ny herisetra ara-nofo

11-nov-2026

Zazavavy kely iray tokony ho 16 taona eo ho eo no hita faty tao anaty Alan’akondro tetsy Anosizato Andrefana II, afak’omaly maraina. Araka ny vaovao voaray dia nifatotra ny tanany tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana nizaha ny razana . Ahiana ho niharan’ny herisetra ara-nofo arak'izany ity tovovavy ity mialohan’ ny namonoan'ireo tsy mataho-tody azy raha ny fizahana nataon’ny manam-pahefana sy ny mpitsabo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana dia nivoaka ny tranon'izy ireo izy ny marainan’ny Alahady 08 Novambra teo. Tsy niverina anefa ny anaovavy raha tsy tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Nibedy azy ny rainy noho izany, ka lasa nivoaka ny trano indray izy taorian’izay. Niandry ny fiverenany ireo ray aman-dreniny saingy tsy niverina intsony izy. Nanao fikarohana avy hatrany izy ireo, saingy ny fatin-janany efa tao anaty alan’akondro sisa no novantaniny. Alevina anio Alarobia 11 Novambra ny razana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny fomba nahitana ilay razana !
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

Vola sandoka 600 000 000Ar

Card image cap
12-nov-2026

Renim-pianakaviana sy ny

Card image cap
12-nov-2026

Vehivavy iray hita faty tao an-trano

Card image cap
12-nov-2026

Maty voatsatok’antsy i Calvine,

Card image cap