airtel

Fandriampahalemana

12-nov-2026

FANAFIHAN-JIOLAHY

TAO MORAFENO DIEGO

Sample post image

Maty voatsatok’antsy i Calvine,

12-nov-2026

zazalahy kely 3 taona
Zazalahy kely vao 3 taona monja antsoina hoe : Calvine no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny fanafihan-jiolahy nitranga tao Morafeno, Diego ny ....Araka ny fitantaran'ny fianakaviany dia tokony ho tamin'ny 6 ora hariva, raha iny avy niasa iny izy telo mianaka no nisy lehilahy miisa roa tonga nanafika azy ireo teo am-bavahadiny. Raikitra ny fifandonana teo amin'ireo olon-dratsy sy ny Ray aman-dRenin'ilay zaza vokatr’izany. Mbola nitrotro an'i Calvine ny Reniny nandritra izany. Nandritra izany no voatsindron'ny antsy ilay zaza ka naratra mafy. Niantso vonjy sy nangataka fanampiana tamin'ny olona manodidina ny Reniny mba hitondrana ilay zaza haingana any amin'ny hopitaly, saingy tsy nisy nanampy izy ireo. Niezaka nitondra an’i Calvine teny amin'ny hopitaly ny Rainy taorian'ny fifandonana saingy tsy tana ny ain'ilay zaza noho ny fahaverezan-drà be loatra. Nofinofin'i Calvine moa ny ho lasa mpanao baolina kitra, saingy izao nisy nisompatra izao sahady. Nandritra ny fanaovam-beloma azy farany dia napetraka teo anilan'ny vatany mangatsiaka ny baolina sy ny maillot- n'ny FC Barcelone izay tena nankafiziny. Efa eo am-pelatanan'ny manam-pahefana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Mitaky ny hahitana sy hanasaziana ireo nahavanon-doza ny fianakavian'ilay zaza.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandao ny tany sahady i Calvine, ilay zazalahy kely nanana nofinofy ho lasa mpanao baolina malaza !
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

Vola sandoka 600 000 000Ar

Card image cap
12-nov-2026

Renim-pianakaviana sy ny

Card image cap
12-nov-2026

Vehivavy iray hita faty tao an-trano

Card image cap
11-nov-2026

Ahiana ho niharan'ny herisetra ara-nofo

Card image cap