airtel

Fandriampahalemana

26-févr-2024

Aferana Cocaïne mitentina 19 miliara Ar

3 lahy nidoboka eny Tsiafahy

Sample post image

Rongony mahery vaika «Cocaïne» milanja 64,32kg no tra-tehaky ny Polisy ny

26-févr-2024

alatsinainy 19 febroary 2024 teo tao amin'ny toeram-pametrahana entan'ny orinasa lehibe iray ao Androranga Toamasina, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Naharay angom-baovao ny Polisy mahakasika ny fivezivezen'ny zava-mahadomelina mahery vaika ao Toamasina sy ny fikasana hanaparitaka izany eto an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Araka izany dia nisy ny fisavana natao tamin'ny "entrepôt" na fanatobiana entana iray tao Androranga tamin’io 19 febroary io ka tamin'izany no nahatrarana vovon-javatra miloko fotsy notsinjaraina anaty harona plastika miisa 57. Nosamborina avy hatrany ireo 3 lahy tompon'ilay toerana fitehirizan'entana ary nentina nihazo an'Antananarivo hatao famotorana. Rehefa natao ny "test" na andrana dia fantatra fa Cocaïne avokoa ireo hita tany Toamasina ireo. Nogiazana avy hatrany moa ireo Cocaïne ireo ary nodorana araka ny fahazahoan-dalana avy tamin'ny fampanoavana. Tombanana ho 19.296.000.000 Ariary ny fitambaran'ny tetibidin'ireto Cocaïne ireto. Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy 22 febroary ny raharaha ka naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy 3 lahy ireto, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap