Jiolahy manodidina ny 4 no voalaza fa nikasa hanafika «Quincaillerie». Nifanehitra tamin’ny zandary anefa izy ireo, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany, 2 maty voatifitra, ary nisy ihany koa iray naratra ka voasambotra, ary iray hafa voalaza fa tafaporitsaka. Sarona niaraka tamin’ireo lavo sy voasambotra ny basy mahery vaika marika kalachnikov, sabatra lava lela, barre à pince,... Nisy horonan-tsary fohy niparitaka tao amin'ny tambajotra "facebook", ka voalaza fa iray tamin'ireo jiolahy ireo ny iray, izay niafina tao ambany kamio sy hita nitsoaka, rehefa naheno poa-basy.
Nangonin’i Toky R
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,