Jiolahy manodidina 10 misaron-tava no nanao ilay asa ratsy raha araka ny vaovao azo omaly Alahady 23 Febroary tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany maraina. Nisaoty tamboho ireo jiolahy ireo niditra tao an-tokontany no sady nitondra basy PA, sy barre a mine. Rehefa vaky ilay trano dia niditra ny sasany raha niandry ny manodidina sao mivoaka kosa ny sasany. Nokapohin’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny lohan’ilay Camerounais ka torana tsy voalohany raha voahambana antsy tsy afa-nihetsika ilay mpiambina sy ny vadiny. Notetezin'reo jiolahy avokoa ny efitrano rehetra taorian’izany ka lasa nitsoaka izy ireo rehefa afa-po tanteraka. Ankoatra ity tranga ity moa dia fantatra fa nisehoana fitsaram-bahoaka ihany koa tao Bazar Valpison Toamasina omaly Alahady tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Mpangalatra ireo tratra ireo izay miisa 2 ka namoy ny ainy ny iray raha naratra mafy kosa ny iray. Mbola tsy nisy havany naka moa ny razana izay fantatra fa naterina ao amin’ny hopitaly manara-penitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Naratra mafy tahaka izao ilay tera-tany vahiny Camerounais !
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,