airtel

Fandriampahalemana

07-juil-2025

AMBATOFAHAVALO

Tratra ilay lehilahy mpisoloky cash point

Sample post image

Lehilahy iray havanana amin'ny fisolokiana cash point no sarona tany Ambatofahavalo

07-juil-2025

ny faran'ny herinandro teo. Raha tsiahivina ny fomba faisany dia mampiasa finday iray misy "Puce" miisa roa ny anaolahy. Raiketiny ao anatin'ny lisitra fizahana ny laharan'ny finday iray ka ataony Mvola no anarany. Ilay laharana noraiketiny hoe Mvola no andefasany hafatra an-tsoratra amin'ilay laharana iray hoe : "π‘Ήπ’†π’•π’“π’‚π’Šπ’• π’“π’†Μπ’–π’”π’”π’Š : 95.000 𝑨𝒓 𝒂𝒖𝒑𝒓𝒆̀𝒔 𝒅𝒆 ----- (038--76165) 𝒍𝒆 04/07/25 𝒂̀ 08:06. π‘­π’“π’‚π’Šπ’” 1300 𝑨𝒓 𝑹𝒆𝒇 012345678". Toy ireny hoe : avy naka vola ireny mihitsy ny tenany. Asehony ilay olona eo amin'ny cash_point io hafatra io ary raisiny ny vola mifanandrify amin'izany. Somary nanano-sarotra moa ny tambajotran-telefonina tany an-toerana ka nitaky fotoana elaela vao afaka nanamarina ny toe-bola ambiny ny tompon'ny cash point ka izay no nohararaotiny. Teo anefa no nahatratrana ny lehilahy. Miantso ny rehetra ho mailo noho izany ny zandary. Miezaka mivoatra sy manatsara ny asany hatrany mantsy ireo mpisoloky izay efa misafidy ny hanao izany ho anton'asa raikitra mihitsy ankehitriny.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana mpisoloky hikoizana ! 

Dans la mΓͺme rubrique

10-fΓ©vr-2026

Nahazo fiaramanidina LET-410 vaovao

Card image cap
10-fΓ©vr-2026

Tsy nisy velona izany izy 3 lahy, tsy bevohoka ilay vehivavy maty

Card image cap
10-fΓ©vr-2026

Omaly 9 febroary 2026, tamin'ny 3 ora 30 minitra maraina,

Card image cap