airtel

Fandriampahalemana

04-mars-2024

AMBATOLAMPY AMBOHIJANAKA

Jiolahy telo maty voatifitra Jiolahy miisa telo

Sample post image

Indray lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny Fokontany Ambatolampy,

04-mars-2024

kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano afak’omaly Sabotsy 02 Martsa tokony ho tamin’ny 10 ora alina latsaka kely. Raha tsiahivina kely ny tantara dia zandary miisa 07 avy ao amin'ny PF Ambohijanaka no nifanena tamin'ny andian'olona tsy latsaky ny 10.Toy ny mahazatra, rehefa mahita olona mivoaka alina anatin'ny fotoana fisafoana ny Zandarimaria, fomba fiasa efa hain'ny mponina, dia asaina mijanona mba ho savaina sy hamarinina ireo olona sendra hita ka mampiahiahy ny fihetsiny sy ny momba azy.Ireto andian'olona ireto kosa tsy nanaiky ny baiko nomena azy fa tifitra avy hatrany no navalin'izy ireo fiangaviana.Namerina fampitandremana ny Chef_de_Poste_Fixe nandritra izany mba hampitsaharana ny tifitra saingy mbola nisesy ny tifitr'ireto andian'olona.Nampiasa ny fahaiza-manao manoloana ny fanafihana ny zandary sady niaro tena, ka lavo teo no ho eo ny telo tamin'ireo olona nanafika. Nandositra kosa ireo namany. Basy_poleta misy tranom-bala efa mifahana, avy nipoaka ary misy bala roa, antsy, lefona, fanilo, hety marani-doha, sy zava-maranitra hafa no tavela teo amin'izy ireo.Nantsoina ny lehiben’ny borigady ao _Alasora hamelatra sakana ho an'ireo nitsoaka.Nantsoina koa ny mpitsabo hizaha ireo razana. Nantsoina ny sefom-pokontany ao Ambohijanaka sy ireo mpitondra manodidinanandritra izany saingy tsy nisy nahalala ireto lavon'ny bala ireto eny fa dia ireo fokonolona vory lanona aza. Tsiahivina moa fa anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao Ambohijanaka amin’izao. Vao tamin’ny herinandro no nisy ny fampilazana tamin’ny alalan’ny peta-drindrina nataon’ireo jiolahy fa ho avy masiaka izy ireo ka miisa 50 no indray hitontona tao an-tanana saingy tsy tanteraka izany, antony mampihetsika ny mpitandro ny filaminana tahaka izao.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo jiolahy maty voatifitra tamin’ny Sabotsy alina teo !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap