Raha araka ny loharanom-baovao azo dia bokonozatra be avokoa ireo dimy lahy ireo no sady nitondra fitaovam-piadiana toy ny antsy…. Toy ireny nisy nitarika ireny izy ireo hoy ny vaovao fa avy hatrany dia nahita lalana niazo ilay tokantrano lasibatra na dia somary miditra elakelantranobe aza ilay toerana. Tsy nijanona teo ny tantara fa niditra izy ireo dia nandroba saingy afaka niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany ny tompon-trano. Raikitra ny fifanjevona nandritra izany ka tafaporitsaka ireo jiolahy. Ny nanamafy ny hidin-tranony kosa no nataon’ireo manodidina noho ny tahony. Vao tamin’ny 07 ora hariva rahateo no nitrangan’ilay fanafihana ka tsy vitsy ireo niantso ny zanany, ny anadahiny….mbola taraiky tany ivelany tany. Marihina moa fa ankoatra an’i Namontana sy 67 ha dia tafiditra ao anatin’ny faritra mena ihany koa ny eny Ambohibarikely Anosibe amin’izao.
Nangonin’i Pati
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,