airtel

Fandriampahalemana

23-févr-2026

Ambohibe - Mahitsy

Fasana telo no indray vaky

Sample post image

Toy ny vara-datsaka no nandrenesan'ny

23-févr-2026

mponina tao Ambohitrandraina, Fokontany Ambohibe Kaominina Mahitsy Distrika Ambohidratrimo fa vaky ny fasam-pianakaviana. Tsy mba iray na roa fa telo be izao no lasibatra. Nanam-potoana mihitsy ny nahavita izany, ary tsy ho vitan'olona iray koa ny nanao azy. Mpiandry omby sendra nandalo no nahatsikaritra ireo fasana efa midanadana, omaly mivoaka omby, ka nampandre haingana ny tao an-tanàna. Vao ny faran'ny herinandro teo koa no nisy tranga vaky fasana toy izao tao amin'ny Fokontany Mahatsara, Kaominina Ambohitrandriamanitra Distrika Manjakandriana. Fanimbazimbana tsotra izao sa fihariana mihintsy ? Iza no ao ambadik'izy io ? Maro ihany mantsy izay mpamaky fasana sy olona tratra niaraka tamin'ny taolampaty izay fa mijanona hatreo ny vaovao fa tsy fantatra hoe mankaiza marina ary atao inona ireny taolampaty marobe tratra ireny ? Eny fa na ny manampahefana aza toa tsy andrenesam-peo sy fanazavana manoloana ity vaky fasana mirongatra manerana ny Nosy ity. Manankasina amin'ny Malagasy izany razana izany. Farafahoriana ho an'ny fianakaviana malagasy izany maty havana any an-tany lavitra na any andafy izany, ka mahatonga azy manao manadatehezana manao izay hampodiana an-tanindrazana ny razana. Ka ny efa eto indray ve no very ?
Jean D.
Iray amin'ireo fasana nisy namaky teny Ambohibe - Mahitsy
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap