airtel

Fandriampahalemana

07-févr-2024

AMBOHIDAVA AMBATOLAMPY

Nisehoana vaky fasana, razana lena iray sisa tavela

Sample post image

Nitrangana vaky fasana tany Ambohidava, Ambatolampy Tsimahafotsy ny alin'ny

07-févr-2024

Alatsinainy 05 Febroary lasa teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia razana iray sisa no navelan’ireo tsy mataho-tody tao am-pasana fa ny ankoatra izay dia lasan’izy ireo avokoa. Tombanana ho razana mbola lena ity najanon’izy ireo ity ka nanahirana azy ny fofony sy ny fangalany ny taolany hoy ireo mponina. Velon-taraina mafy ireo fianakavian’ny maty vokatr’izany. Razana maromaro mantsy no fantatra fa nilevina tao amin’io fasana io ka anisan’izany ireo razambe. Indrisy anefa fa tsy misy azo hatao intsony. Mangataka ny hijeren’ny Fitondram-panjakana akaiky ny trangana tsy fandriampahalemana tahaka izao eto amintsika araka izany izy ireo. Na ny maty na ny velona mantsy dia samy tsy avelan’ireo jiolahy hanam-piadianana fa hanehoany ny haratsiam-panahiny avokoa, izay miseho amin’ny endriny maro samihafa. Fasana ambanin’ny tany moa ity nisy namaky ity raha olona sendra nandalo kosa no nahita ny fahavakisany ka nampandre ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Ity ilay fasana vaky !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap