airtel

Fandriampahalemana

26-mars-2025

AMBOHIJATOVO SY ISOTRY

Olona 22 no nosamborin’ny Polisy, vehivavy ny roa

Sample post image

Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena

26-mars-2025

hametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra eto amintsika. Olona miisa 4 no tratra ambodiomby nanendaka sy nangarom-paosy teny Anatihazo sy Isotry ary Ambohipo ny faran’ny herinandro teo ka vehivavy ny roa tamin’izany. Ny 1 voasambotra teny Mahazoarivo noho ny resaka vaky trano, 2 nosamborina noho ny fifohana rongony teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, 9 no nosamborina noho ny filokàna an-dalambe sady nanakotaba ny fiarahamonina, 5 nosamborina noho ny fanaovana fanamiana mitovy amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana. 14 taona no zandriny indrindra ary 41 taona no zokony indrindra. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ireto farany nanaovana fanadihadiana. Mbola hitohy hatrany ny hetsika raha araka ny fantatra.
Pati
Legende : Ireto izy 22 mianadahy tratra !

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap