airtel

Fandriampahalemana

20-août-2026

AMPITATAFIKA

Mpamaky trano voatifitry ny tompon-trano

Sample post image

Tovolahy mpila ravinahitra avy

20-août-2026

any Mandrosonoro Misy amin'ireo mpila ravinahitra eto amintsika no tsy miasa fa mampitombo ny isan'ireo olon-dratsy eto an-drenivohitra fotsiny. Tsy misy hafa amin'izay ny zava-nitranga teny Ampitatafika omaly Alarobia 19 Aogositra tokony ho tamin'ny 3 ora maraina. Tovolahy vao 20 taona monja no taraiky teny ambony tafon-trano, eo ambanin'ny varavaran-kely saika hidirany. Araka ny voalazan'ny tompon-trano dia efa fanindroany izy no nanandrana nihanika io trano io.Tamin'ny voalohany dia efa namaky an'io varavaran-kely ilay jiolahy saingy heno avy any anatiny. Niantsoana vonjeo izy nandritra izany ka lasa nitsoaka. Tsy nijanona teo anefa ny asa ratsiny fa tamana izy ka niverina nitsapa vintana indray. Misy mpitandro filaminana mipetraka anefa ao amin'ilay trano, ka raha vao naheno fa misy mikasa hamoha indray ilay varavaran-kely dia tsy niantso vonjeo intsony fa nitifitra avy hatrany ka ny bala no nitsena azy. Fantatra moa fa ity farany indray no niantso vonjeo. Natahotra ny ainy ilay ranamana. Noraisin'ny zandarimariam-pirenena ao Ampitatafika ny famotorana azy. Na izany aza nentina namonjy toeram-pitsaboanany tenany mialohan'ny hanolorana azy eo anatrehan'ny Fitsarana.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny nifanjevoan'ilay tompon-trano sy ilay mpamaky trano !
 

Dans la même rubrique