airtel

Fandriampahalemana

04-août-2023

Fandriampahalemana

ANDAKANA BETROKA Nahitana fatim-behivavy tsy nisy lohany

Sample post image

Indroa isam-bolana raha kely no ahitana fatin’olona efa tsy misy lohany intsony any amin’ny Faritra Atsimo. Tafiditra ao anatin’izany ny distrikan’Amboasary Atsimo,

04-août-2023

Midongy Atsimo, Betroka….Ho an’ity farany manokana ohatra dia fatim-behivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo efa tsy nisy lohany intsony no hita tany an-toerana omaly maraina. Tao Andakana , distrikan’ i Betroka no nahitana izany. androany maraina. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina any an-toerana dia toy ny nokapaina tamin’ny zava-maranitra ny lohan’ity vehivavy ity avy eo nariana ny vatany efa tsy nisy fofon’aina intsony. Mbola hita teny aminy kosa ny fitafiany rehetra. Tsy nisy nahalala ity Renim-pianakaviana ity moa ireo mponina tao an-toerana. Ireo olona akaiky azy toy ny fianakaviany ihany noho izany no mety hahafantatra azy amin’ny alalan’ireo fitafiana nanaovany. Tsiahivina moa fa vokatry ny tsy fisian’ny asa dia mahazo vahana tanteraka ny vono olona toy ny fanapahan-doha any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Lasa manaotao foana avokoa ireo tanora zazalahy ka mbola tafiditra ao anatin’izany ny famonoana sy fakana an-keriny ireo zaza varira. Na izany aza tsy mbola nisy hatreto ny fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana hamahana ny olana ateraky ny tsy fananan’asa any amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Tao anaty kirihitr’ala tahaka izao no hita ny vatana mangatsiakan’ity vehivavy ity !
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap