airtel

Fandriampahalemana

16-mars-2026

ANDIAN-JATOVO

MPISETRASETRA ENY TALATAMATY

Sample post image

Hentitra ny fiaraha-miasan'ny kaominina amin'ny mpitandro ny filaminana

16-mars-2026

Misy andian-jatovo mpisetrasetra eny Talatamaty Ambohidratrimo eny izay mitondra zava-maranitra sy mahavita mifofo ain'olona mihitsy ka miisa 10 raja kely no miara-miasa. Manomboka eo amin'ny 13 taona eo ho eo izy ireo izay fantatra fa tsy mponina eny an-toerana fa ankizy tsy manan-kialofana avy any Ambohimanarîna ary tonga manita-kevitra eny amin'ity kaominîna ity mba hihinanany sy hahazoany vola. Hentitra ny fiaraha-miasan'ny kaominîna sy ny mpitandro ny filaminana manoloana izany amin'ny alalan'ny fanaovana la ronde manodidina ny tanana andro aman'alina. Toraka izany koa ny fametrahana jiro manazava ny tanana manerana ireo Fokontany mbola tsy mañana izany, indrindra fa ireo toerana voasokajy ho Faritra mena. Nambaran'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic fa nirongatra sy nahazo vahana mihitsy tato ho ato ny hala-botry ho an'ny kaominina Talatamaty nampian'ireo andian-jatovo mpisetrasetra ireo. Amin'ny tompon'andraikitra voalohany ny tenany eo anivon'ny tanana anefa dia miezaka ny tenany sy ireo mpitandro ny filaminana manao izay vitany ho fiarovana ny ain'ny mponina sy ny fananany.
Pati
Légende : Raharinoasy Elie Dominic, Ben'ny tananan'ny kaominîna Talatamaty !

 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

voaroba ny vola sy firavaka

Card image cap
20-avril-2026

am-panendahana vehivavy ilay jiolahy

Card image cap