Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny Fitondram-panjakana izao tranga famonoana zaza varira eto amintsika izao raha araka ny fanazavan'Atoa Branco Nantenaina, efa lehiben'ny dina tany amin'ny Faritra Atsimo Andrefana. Mety ho tambajotra ezahin'ny sasany hampiroboroboana ny afera maizina ihany koa io hoy izy raha eo koa ny fanomezana vahana ny asan'ny asa satana sy ny fifandraisana aminy. Efa tena asan-devoly mantsy izao miseho eto amintsika izao. Tokony ho hentitra ny fanjakana manoloana izany. Soso-kevitra aroson'Atoa Branco Nantenaina ny hivorian'ireo depiote mandritra ny 12 andro handinihina ny tolo-dalana mifandraika amin'izany. Izay tratra hoy izy dia tsy tokony hasiana indrafo fa melohina ho faty avy hatrany. Ariana ao anatin'ny fianakaviana misy azy koa amin'ny alalan'ny fampiharana ny dinabe hoy hatrany izy. Tsy mbola nisy Malagasy nahavita namono sy namiravira zaza tahaka izao. Nomarihin'ny filohan'ny fikambanana Albinos moa fa toe-tena ny mahavarira ny olona iray. Tsy misy harena miafina toy ny diamondra izany ao anaty mason'izy ireny hoy hatrany izy.
Pati
Légende : Atoa Branco Nantenaina efa lehiben'ny dina tany amin'ny Faritra Atsimo Andrefana !
Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana