airtel

Fandriampahalemana

04-juin-2026

Zava-doza ny "Kidnapping"

varira nandritra ny 5 taona

Sample post image

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

04-juin-2026

Mijanona ho raharaha nasionaly ny resaka fakana an-keriny zaza varira izay misy tonga hatrany amin'ny vono olona mahatsiravina. Toe-javatra mateti-pitranga, indrindra tato anatin'ny 4 na 5 taona farany teo. Noho ny zava-misy, niazo ny "Centre opérationnel" tao amin'ny Toby ny Zandarimaria Tsianaloka ireo delegasiona sy manan-pahefana tao Toliara, notarihin’ny minisitry ny foloalindahy sy ny minisitry ny mponina. Nisy ny dinika namolavolana paikady maharitra hisorohana ireo tranga fakana an-keriny toy ny nahazo ilay zaza varira notahan-doha tao Toliara. "Alefa avy hatrany any Tsiafahy ireo olona efa 18 voasambotra tamin’ny raharaha fakana an-keriny sy famonoana zaza varira tany Toliara", hoy ny minisitry ny foloalindahy , jeneraly RAZAFITOMBO Elly. Namafisiny ihany koa fa migadra mandra-pahafaty avokoa ireo rehetra voasaringotra amin’ireo tranga fakana an-keriny sy famonoana olona varira. Namangy ny fianakavian’ilay zaza varira notapahan-doha tany Toliara moa ireo solotenan’ny governemanta ary niazo an’i Beroroha nitsidika ilay zaza varira telo taona avotra teo ampelatanan’ireo mpaka an-keriny omaly. Manao ranolava ireo tranga mahatsiravina. Tamin'ity herinandro ity ohatra, dia nisy ilay tranga fanapahan-doha varira vao herintaona sy tapany tany Toliara, nisiana olona 18 voasambotra, izay olona akaiky ny fianankaviana ihany no naka an-keriny. Tahaka izany ihany koa ny tranga tany Beroroha nakan'ny olona nirongo basy zaza varira vao 3 taona ny 01 jona teo izay efa hita soa aman-tsara. Tao anatin’ny dimy volana voalohany amin’ity taona 2026 ity dia efa ankizy varira 4 no niharan’ny fakàna an-keriny sy famonoana tamin’ny fomba feno habibiana. Tany Mampikony, zazalahy iray 11 taona no hita faty tsy nisy lohany. Tany Betroka, zazakely iray vao 8 volana no nalaina an-keriny ary mbola tsy hita popoka hatramin’izao, raha maty voatifitra kosa ny rainy. Tany Marovoay, zatovo iray 13 taona no novonoina tao an-tranony ary notapahina ny lohany. Ary vao haingana ilay tany Toliara efa nolazaina etsy ambony izay zazavavikely varira iray 18 volana izay nogiazana nandritra ny telo andro sy maty notapahan-doha. Tamin’ny taona 2025 dia efa 16 ireo zaza varira nalaina an-keriny, ka 3 no hita faty tsy nisy lohany. Ny antontan'isan'ny Fikambanana Albinos Madagascar dia namoaka fa tamin’ny taona 2022, dia 20 ny tranga fakana an-keriny ary 7 ny maty. 14 ny tranga tamin’ny taona 2023 ary 5 ny namoy ny ainy. 24 ny tranga tamin’ny taona 2024, ka 12 ny maty tamin’izany. Raha raisina amin'ireo, efa hananika ny 80 ny fakana an-keriny varira tao anatin'ny 5 taona, ary 30 mahery ny maty, ankoatra ireo mety tsy voaisa. 800 hatramin'ny 1000 ny varira anatin'ny Fikambanan'izy ireo izany hoe tafakatra 10% eo no lasibatra. Mbola misitery hatrany ny antony: finoanoam-poana sy fombafomba maizina? Fanompoan-tsampy? Sorona? Ody gasy? Mbola misy ireo mino fa afaka mitondra hery, fahefana ary harena ny fampiasana ny taovan’ny olona varira amin’ny fombafomba sasany?
Toky R

Légende : Ireo manam-pahefana nidina ifotony tany Toliara
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap