airtel

Fandriampahalemana

03-févr-2025

ANDIAN’OLONA MPANGALATRA TARIBY

1.800 metatra no efa azony tao anatin’ny 12 volana

Sample post image

Efa misy andian’olona mihitsy ireo mpangalatra tariby eto an-drenivohitra.

03-févr-2025

Lehilahy miisa 05 no voasambotry ny Compagnie Urbaine d'intervention avy ao amin’ny Kaomisaria foibe Tsaralalàna ny alin’ny 26 Janoary teo teny Ambohijatovo. Tratra ambodiomby nangalatra tariby ana orinasan-tserasera iray sady mpamatsy internet ireto jiolahy ireto. Irony tariby milevina ambanin’ny tany irony no nokasain'izy dimilahy ireto nangalarina teo Ambohijatovo, ary nampiasain'izy ireo fitaovana samihafa toy ireny mpiasa manao ny asany ireny mihitsy. Nisy ny sankan-dalana milaza fa misy asa hatao, ny fanamiana fanao amin'ny alina, ary ny fiara fampiasan'izy ireo izay misy soratra an’io orinasa io.Rehefa nohamarinin’ny Polisy anefa dia fantatra fa tsy mpiasa amin’ilay orinasa akory ireto lehilahy ireto ka dia noraisim-potsiny. Fantatra moa fa tariby mirefy 1800 metatra no efa azon’izy ireo hatramin’ny taona 2023 no mankaty.
Pati
Legende : Ireto izy 5 lahy mpangalatra tariby !

 

Dans la même rubrique

25-août-2026

fiarahamonina manontolo izao!"

Card image cap
24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap