airtel

Fandriampahalemana

27-août-2026

Andrimasom-pokonolona

Tsy tokony ho tapaka mihitsy

Sample post image

raha mijery ny ara-tantara!

27-août-2026

Ny Mpitandrina Paul Ramasindraibe no fantatra indrindra tamin’ireo nanoratra boky momba ny atao hoe «Fokonolona» ka niezaka namaritra ny dikan’izany hatramin’ny talohan’ny taona 1970 tao anatin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe «Fokonolona, fototry ny firenena». Rehefa fehezina ny voalazany dia fitambàran’ny teny hoe «Foko», ara-bakiteny amin’ny teny frantsay hoe «Mon cœur», na koa hoe «Kiboko», satria midika ho «kibo» ny atao hoe «fo» amin’ny faritra sasany eto Madagasikara ka ny atao hoe «Iray fo amiko» sy ny hoe «Iray kibo amiko» ary ny hoe «Foko» izany dia iray ihany ny heviny. Ny teny hoe «Fokonolona», noho izany, dia midika hoe «Iray fo amiko ny olona» na «Iray kibo amiko ny olona». Famaritana izay heverina ho nahaterahan’ny soatoavina antsoina hoe «Fihavanana» na «Fifampitondràna toy ny havana» teo amin’ny fiarahamonina malagasy izany satria na olona tsy iray kibo niteraka aza izany dia lasa mifampitondra toy ny iray kibo niteraka ihany. Nanjary rafi-piarahamonina tsy nety levona teo amin’ny tantaran’i Madagasikara, noho izany fototra nihaviany izany, araka izany, ny atao hoe «Fokonolona» hatramin’izay nanombohany ka hatramin’izao. Saika nahitàna taratra izany ihany koa ny fandinihan’ireo mpahay tantara malagasy toy ny Dr Mireille Rabenoro na koa ny Dr Dénis Alexandre Lahiniriko. Isany koa ilay frantsay efa nodimandry, izay nandinika manokana mikasika ny tantaran’i Madagasikara, dia ny Pr Françoise Raison Jourde. Ny fikarohan’ny mpahaiolona, dia ny Dr Samoelson Rabotovao, ny taona 2013 kosa no azo ambara hoe voka-pikarohana nampiseho mazava ny dingana nolalovan’izany antsoina hoe «Fokonolona» izany teto Madagasikara. Voalazany ao fa nanomboka ny faha vazimba io rafitra Fokonolona io, ary azo sokajiana izany hoe «Fokonolon-drazana». Rafitra izay nanao andrimaso tsy tapaka ny fiarahamonin’ireo vazimba tamin’izany fotoana izany. Rehefa sondriana izany andrimaso izany dia tafani-bohitra ny antsoina hoe «Mpiavy» ka ravan’izy ireo izany fiarahamonina vazimba izany, raha ny ara-tantara ihany. Nitohy taty aoriana, izany hoe nandritry ny rafitra mpanjaka, ny fisian’ny fokonolona, ka ny antsoina hoe «Fokonolona nentim-paharazana» notarihin’ny mpanjaka Andrianampoinimerina, no tena niavaka indrindra, raha ny fanazavàn’ity mpahaiolona ity ihany. Voarakitra an-tsoratra samihafa ny resaka fananganana fefiloha tamin’ny alalan’ny atao hoe «Fokonolona» tamin’izany fotoana izany na koa ny asa an-tanimbary fa indrindra ny fandriampahalemana niantohan’ity rafitra voalaza ho nentim-paharazana ity. Na tao anatin’ny vanim-potoanan’ny antsoina hoe fanjanahantany, nanomboka ny taona 1896, aza dia mbola velona ny fokonolona ary niova ho fokonolona repoblikanina moa izany avy eo, nanomboka ny taona 1958, nialohan’ny nanavaozana azy tanatin’ny nantsoina hoe «Fokonolon-dRatsimandrava» tamin’ny fiandohan’ny taona 1970. Nanana ny anjara toerany foana, indrindra, tamin’ny lafiny fandriampahalemana, tamin’ny alalan’ny antsoina hoe «Andrimasom-pokonolona» tao anatin’izany vanim-potoana rehetra izany ny fokonolona. Azo lazaina ho nampikorontana fiarahamonina, raha fintinina, ny fisiana fotoana tsy nisian’izay atao hoe andrimasom-pokonolona izay. Tsy tokony ho tapaka mihitsy izany io raha mijery ny ara-tantara isika. Tsikaritra ho voamarina ihany koa izany tato ho ato tao anatin’ireo fotoana nampirongatra ity vono olona hafahafa niseho lany teto amin’ny firenena ity, izay nisy fotoana niha lefy, rehefa nantsangana teny anivon’ireo fokontany izay andrimaso izay, saingy io niha niverina nampivarahontsana io indray izany rehefa niato na nisy fahatapahany izany antsoina hoe «andrimasom-pokonolona» izany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-août-2026

voasambotra tany Andonaka

Card image cap
27-août-2026

Mihazakazaka ny fikarohana ny

Card image cap
27-août-2026

7 tapitrisa an'ny mpampiasa azy

Card image cap