airtel

Fandriampahalemana

01-juil-2026

Ankadinondry Sakay

Razana iray sy karandoha

Sample post image

vitsivitsy hita tao anaty lobolobo

01-juil-2026

Hatairana miaro fahagagana ny an'ny mponina tao amin'ny Fokontany Ankadinondry II Kaominina Ankadinondry Sakay Faritra Bongolava omaly tolakandro raha nandre fa misy razana iray mbola nifono lamba, karan-dohan'olona miisa efatra ary taolan-dava maromaro miampy satroka ba mena sy akanjo ba maitso niaraka tamin'ireo, hitan'ny ankizy sendra nilala tao Ambavaloza. Ireo no nampandre ny teo an-tanàna, nalaky niely ny feo ka nirohotra ny nijery ny zava-misy. Tonga nanao ny fizahana ny Ben'ny tanàna niaraka tamin'ny mpitandro ny filaminana ary ny Dokotera. Noraisin'ny Kaominina an-tanana ny fikarakarana ny razana sy ireo taolana ireo. Nanokatra fanadihadihana ny mpitandron'ny filaminana hamantarana ny anton'izao.
Jean D.

 

Dans la même rubrique

14-août-2026

nataon-dreniny sorona ilay zaza...

Card image cap
13-août-2026

may ny moto-n'ny zandary

Card image cap