airtel

Fandriampahalemana

24-janv-2024

ANKAZOMBORONA MAROVOAY

Ramatoa mpivaro-drongony voasambotra

Sample post image

Efa marobe ireo jiovavy eto amintsika amin’ny endriny maro samihafa amin’izao.

24-janv-2024

Ankoatra ireo mpanendaka dia Renim-pianakaviana iray mpivaro-drongony indray no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Tsianaloka fokontany sy kaominina ambanivohitr’ Ankazoborona distrikan'i Marovoay omaly Talata 23 Janoary. Tao amin’ny trano fonenany mihitsy no tratra ity vehivavy ity izay mbola sarona niaraka tamina rongony milanja 4 kilao. Raha araka ny fantatra dia izy no mamatsy ireo mpandray sy mpifoka izany any an-toerana ka anisan’izany ireo tanora zazalahy. Notanana natao andrimaso ity Ramatoa ity hatramin’ny omaly nanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana rahampitso Alakamisy raha tsy misy ny fiovana. Mitohy ny fanenjehana hataon'ny zandarimariam-pirenena ireo mpanapoizina mpiara-belona amin'ny famarotana sy fanapariahana rongony any Marovoay.
Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa tratra mpivaro-drongony ao Ankazomborona !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap