airtel

Fandriampahalemana

02-févr-2024

ANOSIBE

Zaza 16 taona tratra nanendaka

Sample post image

Zaza tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mpanendaka eny Anosibe, Boriborintany fahaefatra.

02-févr-2024

Tovolahy kely iray vao 16 taona monja omaly Alakamisy 01 febroary no saron’ny polisin’ny SAG teny an-toerana rehefa nanendaka. Maro ireo olona mifamezivezy eny amin’iny faritra iny raha tsiahivina no nihara’ny fanendahana sy sinto-mahery. Mitsoaka avy hatrany ireo mpanendaka rehefa mahazo ny zavatra ilainy. Manoloana izany dia nirotsaka an-tsehatra ny polisin’ny SAG.Natao ny fikarohana ka taoria’ny angom-baovao isan-karazany no nahafahana nisambotra ny iray tamin’ireo tontakely izay teny amin’ny manodidina ihany. Eny amin’ny faritra Anosipatrana moa izy no mipetraka saingy izao tra-tehaka nanatanteraka asa ratsiny teny Anosibe izao.Natolotra ny sampan-draharahan’ny PMPM Anosy ity raharaha ity noho ny mahazaza tsy ampy taona azy.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy kely tratra nanendaka teny Anosibe !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap