Lehilahy iray no tratra ambodiomby ny 22 Martsa teo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina teny Anosipatrana “Trano Dimy" rehefa nihanika fefin'olona . Polisy nanao fisafoana no nahatsikaritra azy io. Tonga haingana ara - potoana teny an-toerana ny Polisy ka nisambotra avy hatrany ilay lehilahy raha mbola niezaka nandositra izy.Nandritra ny fisavana dia nahitàna vola 3.000.000 Ariary latsaka kely tao anaty kitapony, antsy iray ary fanalahidy maromaro. Fantatra nandritra ny famotorana fa mpiasa tao amin’ilay tompon-trano izy ary niaiky ny heloka vitany.Naverina tamin’ny tompony ny vola, ireo fitaovana tratra kosa dia natao ho porofo any amin’ny Fitsaràna. Efa eo am-pelatanan’ny Polisim-pirenena ny raharaha ary mitohy ny fanadihadiana.Manentana hatrany ny rehetra ny Polisy mba ho mailo sy hiara-hiasa amin’ny fanomezam-baovao hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
Pati
Légende : Ity ilay jiolahy hikoizana !
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny