airtel

Fandriampahalemana

01-mars-2024

ANTETEZANA

ANDRANOTAPAHANA

Sample post image

Lehilahy miisa 03 no lavon ' ny balan 'ny Polisy tetsy Antetezana /

01-mars-2024

Andranotapahana ny 28 Febroary teo rehefa nangalatra sy nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy. Ny harivan 'io tetsy Andohatapenaka raha tsiahivina dia Polisin 'ny BC1 namita iraka no nahatsikaritra olona nitondra moto niharan ' ny asa ratsy. Nosakanan ' ireo jiolahy ilay lehilahy ary nalainy an-keriny ny moto noentiny. Nandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana raha vao nahita ilay tranga. Nitsoaka niaraka tamin 'ny moto roa nihazo ny lalana Ambohitrimanjaka kosa ireo mpanao ratsy raha vao nahatazana ny Polisy. Raikitra ny fifanenjehana ka nizotra ny lalana manitsy hivoaka any Mahitsy izy ireo. 100m niala ny fiviliana teo Antetezana no nanajanona ny moto ireo jiolahy ka namoaka basy ary nitifitra ireo Polisy nanara - dia. Raikitra ny fifanjevoana ka nandritra izany no nahalavo ny jiolahy miisa 03. Mbola nahitana sabatra lava lela ihany koa teny aminy. Marihina fa moto miisa 02 halatra avokoa no noentin ' izy ireo nitsoaka izay efa azo ka tafaverina amin ' ny tompony.
Pati
Legende : Ilay moto halatra sy ilay basy !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap