airtel

Fandriampahalemana

01-févr-2024

AVARATSENA ITAOSY

Saron’ny zandary ny sahan-drongony

Sample post image

Efa hampaniriana toy ny anana mihitsy ny rongony eto amintsika.

01-févr-2024

Sahan-drongony iray teny Avaratsena Itaosy teny, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly Alarobia 31 Janoary no saron’ny zandarimariam-pirenena nanao fisafoana tany an’elakelantrano. Raha araka ny fantatra dia tao ambany salazana saosety sy tao anaty tavim-boninkazo no nahitana azy ireo. Miisa 14 fototra ireo rongony nampaniriana ireo ka tovolahy miisa 4 no voalaza fa tompon’antoka. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa mikirakira fototra rongony efa maina izy ireo ka sady mifoka no mivarotra. Vokatry ny fofon-drongony nijolofotra tao an’elakelan-trano moa no nahatrarana ireo foto-drongony miisa 14 ireo sy izy efa-dahy mpamboly azy rehefa noterena ireto farany. Miatrika fanadihadiana lalina izy ireo hatramin’ny omaly. Tsiahivina moa fa ny tranga tahaka itony no mampitombo isa ireo mpifoka rongony isaky ny tanana koa ankoatra ny tsy fandriampahalemana mety aterak’izany dia mitombo isa ihany koa ireo vehivavy maty vonom-badiny sy ireo zaza voaolana.
Pati Legende : Izy efa-dahy sy ireo foto-drongony tratra namboleny !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap