airtel

Fandriampahalemana

11-sept-2025

BEFORONA ANDEKALEKA

Vehivavy naolana dia novonoina avy eo

Sample post image

Vehivavy iray manodidina ny 34 taona no fantatra fa hita faty

11-sept-2025

tao an-tokantranony tany Andekaleka, omaly Alarobia 10 Septambra. Voakapa antsy ny firifany ary tapaka ny tongony havanana. Raha araka ny fantatra dia niantso azy an-telefaonina ny vadin'io vehivavy maty io saingy tsy namaly mihitsy izy. Voatery niantso ny Fokontany ity farany noho izany nijery ny zava-misy tao an-tokantranony. Indrisy anefa fa vatana efa tsy nisy fofon'aina no novantanin'ireo manam-pahefana tao. Rehefa nozahana ny razana dia hita fa niharan'ny fanolanana Itompokovavy talohan'ny namonoana azy. Lehilahy iray izao vao 18 taona monja mpiasan'izy ireo ihany no niantefan'ny ahiahy voalohany. Tsy hita avy hatrany mantsy izay nalehan'ity farany. Na izany aza tratra tao Beforona ity farany ary mbola hita tany aminy ny lelavola 95 100 Ar nangalariny. Aleo malina foana amin'ny trangan-javatra tahaka itony. Betsaka amin'ireo mpanampy an-trano mantsy no tsy mena mivadika ka mahavita mamono ny mpampiasa azy tahaka izao na koa maka an-keriny ny zanaky ny mpampiasa azy.
Pati
Légende : Tsy milamina ny fandriampahalemana eto Beforona Andekaleka !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap
28-avril-2026

Mangataka "postes budgétaires" sy

Card image cap
28-avril-2026

Mety hitana ny sain’ny maro ny

Card image cap