airtel

Fandriampahalemana

06-juin-2023

Fandriampahalemana

Belo sur Tsiribihiana Tsy nisy maso sy lela intsony ilay zaza varira notapahin-doha

Sample post image

Zazalahy kely varira iray indray tamin’ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa hita faty tany amin’ny distrikan’i Belo Sur Tsiribihiana.

06-juin-2023

Efa notapahin-doha io zaza io vao hita raha efa tsy teo amin’ny toerany intsony ihany koa ny masony sy ny lelany. Efa nanambara ombieny ombieny anefa Atoa Soja Fulgence, filohan’ny fikambanana Albinos Madagascar fa tsy misy safira izany ao anatin’ny mason’ireny zaza na olon-dehibe manana toe-tena varira ireny. Mirongatra loatra mantsy ny herisetra hatao amin’izy ireny ary saika mihatra aman’aina hatrany izany. Indrisy anefa fa toy ny rano hararaka eny an-damosin’ny gana hatrany izany fitenenana izany. Mbola misy hatrany ny fakana an-keriny sy famonoana ireny ankizy manana toe-tena varira ireny na dia efa maromaro amin’ireo distrika any Atsimo aza no misy fikambanana miaro azy ireny. Ho an’ity zaza hita faty ity dia tsapa fa tena hirifiry tokoa ny niainany vao afaka ny ainy. Sady nokapaina mantsy ny tendany no mbola nalana ihany koa ny lelany…tranga izay miteraka horohoron-tsaina ho an’ireo mponina any Atsimo. Vokatry ny tsy fananan’asa hatrany moa no nambaran’ireo tompon’andraikitra fa antony mampirongatra ity vono olona any Atsimo ity ka tokony handraisan’ny fanjakana fepetra.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap