airtel

Fandriampahalemana

22-janv-2024

BELO

TSIRIBIHIANA

Sample post image

Tsy hisy olona hipetraka any an-trano intsony ao Belo/Tsiribihiana raha mitohy

22-janv-2024

ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny mitranga any an-toerana. Ankizy mianadahy 16 taona sy 13 taona indray mantsy omaly Alahady 21 Janoary tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no nisy naka an-keriny tany an-toerana. Raha araka ny fantatra dia niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano nisy azy mianadahy ireto ireo mpanao ratsy ary avy hatrany dia nikaroka sy nitondra azy ireo. Antso an-tarobia no natao taorian’izany dia mitaky amin’ireo fianakavian’ireto zaza ireo vola mitentina 10 tapitrisa Ar.Taorian'ny fampandrenesana ireo mpitandro filaminana dia lasa nanara-dia ireo mpanao ratsy ny polisy sy ny fokonolona. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia mbola tsy nahitam-bokany izany fanarahan-dia nataon’ireto farany izany. Andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Mihorohoro tanteraka ireo mponina eto Belo/ Tsiribihiana vokatry ny firongatry ny tsy fandriampahalemana !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap