airtel

Fandriampahalemana

12-mai-2026

Brickaville

Nentina kalesy ndeha hamidy,

Sample post image

hay henan'omby halatra

12-mai-2026

Nitrangana halatr'omby tao Manambolo Fokontany Manambato ny alin'ny sabotsy teo. Vao nahazo fampandrenesana ny zandary avy ao amin'ny Brigade territoriale Brickaville dia roso tamin'ny fanarahan-dia avy hatrany, nifanampy tamin'ny Fokonolona. Ny alin'ny alahady, apitson'io dia indreto nisy roalahy manosika kalesy teny amin'ny arabe, mitondra hena toy ireny hena ara-dalàna hamidy ireny saingy taratasy hafa no nasehon'izy ireo nitondrana azy. Teo no nampiahiahy ireo Zandary izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany ka tra-tehaka tamin'izany fa henan'omby halatra ilay teo ambony kalesy ary dahalo ireto nanosika. Efa nisy nanombinana nataon'izy ireo tsaky ny hena. Mitohy ny fanadihadiana hikarohana izay mety ho mpiray tsikombakomba amin'izy ireo. Hatolotra ny Fitsarana izy ireo aorian'izay.
Jean D.
Hena halatra no natosik'izy roalahy tamin'ny kalesy tsy amin-tahotra
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap