airtel

Fandriampahalemana

21-nov-2022

Fandriampahalemana

Cimetière Anjanahary Noraisim-potsiny ireo mpanendaka roalahy

Sample post image

Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP3 Antaninandro ny lehilahy roa samy 18 taona rehefa nanendak’olona teny akaikin’ny Fasana Anjanahary.

21-nov-2022

Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Mba hisorohana ireo trangana asa ratsy mety hiseho eny an-toerana raha tsiahivina dia nametraka paikady ny tompon’andraikitry ny Filaminam-bahoaka misahana iny faritra iny. Nasiana Polisy avokoa ireo izay heverina fa mety hisian’izany. Tena nahitam-bokany tokoa ny hetsika . Vehivavy iray hamonjy fodiana mantsy no narahina lehilahy miisa roa avy aoriana. Nataon’izy ireo tao afovoany ilay vehivavy ka rehefa voatery handeha hanararaotra amin’izay izy ireo dia tsikaritry ny Polisy nanara-maso teny amin’ny manodidina ka noraisim-potsiny. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy roalahy ireto taorian’ny niakarany teny anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap