airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2024

Distrikan’i Maevatanana_Asan-dahalo

Lavo ny Lefitry ny Vondron-tobim-paritra zandary

Sample post image

Namoy namana iray ny Zandarimaria noho ny fiarovana ireo vahoaka ifotony,ée

23-janv-2024

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Maty "ho an'ny Tanindrazana" ny Lietnà Razafimanantsoa Toaviniaina Brice, lefitry ny Kaomandin'ny Vondron-tobim-paritra ao Maevatanàna. Notafihin'ny jiolahy am-polony mirongo fiadiana mpangalatr'omby ny tanànan'i Sarodrano fokontany Marofototra commune rurale de Maevatanana -II distrika Maevatanana, omaly faha 22 janoary tamin'ny 5 ora maraina. Raha vao nahare izany ny Zandarimaria dia nanetsika ireo Zandary rehetra manodidina notarihin'ny Lietnà voalaza etsy ambony. Ny mitaovovonana dia tratra ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana tao Antanifotsy, fokontany Mahatsinjo CR Bemokotra. Vokany, namoy ny ainy ny mpanaradia miisa 2 dia ny Lietnà izay nitarika sy sivily iray; misy fokonolona nanaradia miisa 2 ihany koa naratra voatifitra; Dahalo miisa 2 no lavo teo an-toerana raha maro ny naratra. Tafaverina avokoa ireo omby 165. Efa tonga hanampy tosika any an-toerana ireo Zandary maro avy aty Maevatanàna raha efa manao hetsika hazalambo an'ireo jiolahy avokoa ny manodidina sy ny fokonolona. Nentina namonjy fitsaboana haingana ireo mpanaradia naratra, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap