fitaovam-piadiana ho an’i Madagasikara avy amin’i Rosia ny Seraseran’ny fiadidianana ny fanavaozana ny Repoblika omaly 14 janoary 2026. Tany amin’ny 21 desambra 2025 moa no nisy fampahafantarana voalohany an’io, izay ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko no nanao ny serasera voalohany mikasika ny fiaramanidina Rosianina, izay nitondra delegasionina 44, nihaona tamin’ny mpitondra, nanome fitaovana ara-miaramila, ka anisany ny mpiambina ny Filoham-panjakana. Omaly, nampahafantarina fa misy ny delegasionna Rosiana tonga eto hanofana sy hanome tantsoroka ny tafika Malagasy momba ny fapiasana ireo fitaovana ireo, ka io omaly io no nanombohana izany. Tsara ho marihina hoy ny fampitam-baovao fa fitaovam-piadiana avy tamin’ny Rosiana no nampiasaina teto Madagasikara hatramin’izay tahaka ny basy kalachnikov, ary io basy io no betsaka indrindra eto Madagasikara hatramin’izao. Raha ny sary hita tamin’ny serasera ofisialy, misy fitaovana heverina fa tena raitra ireo izy ireo, izay zava-dehibe ho an’ny tafika. Tsy mbola nisy kosa ny tatitra ofisialy mikasika ny isany sy ny karazany, fa fampahalalam-baovao tsy miankina, ary tsy avy eto an-toerana aza no mamoaka fa teo amin’ny 43 baoritra, ahitana basy mitraka, basy sniper ary rôkety fanoherana fiara mifono vy. Izay tokoa ve ? Misy lafiny stratejika sy tsiambaratelo ? Zava-dehibe, saingy betsaka ny manitikitika eo anatrehan’ny fisosohan’ny Rosianina izay misy dikany sy lanjany lehibe amin’ny politika sy ny diplaomasia ary ny jeopolitika, fa ara-toekarena ihany koa. Raha ny tantara tato anatin’ny 8 taona farany, nanohana kandida maro ny Rosianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018. Rehefa tonga teo i Andry Rajoelina, vao mipetraka tao Iavoloha dia voalaza fa nanao sonia fifanarahana miaramila voalohany tamin’i Rosia, mikasika fiarovana sy famatsiana fitaovam-piadiana. Tamin’ny 2022, fifanarahana faharoa no nanitatra izany ho dimy taona miaraka amin’ny fanavaozana mandeha ho azy sy fanofanana ny tafika. Mitombina ve ny voalaza fa tatitra nataon’ny fampahalalam-baovao The Moscow Times fa nandefa fitaovam-piadiana 5000 isa ho an’i Madagasikara teo anelanelan’ny 2023–2025 ny Rosianina kanefa 116 no voarakitra? Nankaiza ny 4884 ?
INONA NO TAMBINY ?
Raha raisina amin’io, dia teo foana i Rosia na iza na iza teo. Ny mpandinika dia milaza fa ny modely rosiana aty Afrika ho tambin’ny fanohanany dia mazava: Centrafrique 300 tapitrisa dolara isan-taona amin’ny harena an-kibon’ny tany; Soudan 32,7 taonina volamena mitentina 1,9 miliara dolara,... Madagasikara moa manana harena samihafa toy ny graphite ; nikela, nikela, ilménite,... Ny Orinasa rosiana Ferrum Mining voalaza niezaka hividy Kraoma tamin’ilay antsoina hoe : « Ariary symbolique » raha izay no mety mahalaza azy. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa izay tena stratejika saingy tsy manala ireo fanontaniana manitikitika hoe : inona no aloan’i Madagasikara ho solon’ireo fitaovam-piadiana 5000 mitentina 5–10 tapitrisa dolara raha izay ilay isa? Mifandanja ve ? Sao sanatria ho dolara iray amin’ny fitaovam-piadiana mivadika dolara zato amin’ny harena ?
Toky R