airtel

Fandriampahalemana

09-janv-2024

Fanafihana eny amin’ny RN4

Jiolahy 3 lavon’ny zandary

Sample post image

Nihampatrapatra ny faty tany amin’ny RN4 ny faran’ny herinandro lasa teo.

09-janv-2024

Dahalo mpanakan-dalana 3 no indray lavon’ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Ambato Boeny ny alin’ny 6 janoary teo Ambalakida-Andranofasika. Manoloana ny fitarainan’ny mpampiasa lalana amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny, dia nanao vela-pandrika ny zandarimaria, ka ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ambato Boeny, izay notarihan’ny lefitra faharoan'ny komandin'ny Tobim-paritra, no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nanaiky lembenana ireo olon-dratsy, ka raikitra ny fifandonana, izay nahalavo ireo dahalo telo lahy. Efa tafaverina amin’ny tompony ny entana voaroba. Ireto dahalo ireto no tompon'antoka tamin'ilay fanafihana fiara teo Andranofasika ny 21 desambra 2023 teo, mbola izy ireo ihany koa no nanao fanafihana ny 29 desambra 2023 teo Befotoana kaominina Marosakoa, raha ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana. « Mitohy ny asa, tsy milavo lefona ny zandary mba ho fampandriana fahalemana ny lalam-pirenena faha-4 sy faha-6. Hamporisohina hatrany ny fanomezan-tanana avy amin'ny fokonolona eny ifotony amin' ny fiambenana sy avy amin'ny mpampiasa lalana amin'ny fanarahana lamina », hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap