dia fanafihana miisa 4 be izao no nitranga andro atoandro. Ampahany izany, fa tena nirarakopana, betsaka no namoizana ain’olona, misy ireo mitondra takaitra ankoatra ny fananana voaroba ka very. Lasibatra avokoa na olon-tsotra na mpandraharaha, eny hatramin’ny mpitandro filaminana. Ny mpandraharaha izao dia manao tsindry ny hivoahan’ny marina mikasika ny raharaha nitifirin’ny jiolahy ka nahafaty ilay teratany indianina, Haersh Kumair, ny 4 febroary 2023 teo. Mandeha aza ny feo fa mety hampihantona ny fanafarana ireo entana ilaina andavanandro avy any ivelany ireo karana indianina ireo, noho io raharaha io. Manao ezaka ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina amin’ny famongorana ny asan-jiolahy. Misy ny vokatra toy ny nahasamborana ireo roalahy nandrava i-phone tao Ambohijafy sy nangalatra moto tao Salazamay ary ilay nampanofa basy nampiasain’izy ireo nanao asa ratsy. Toy izany koa ny nahatratraran’ny Polisy ireo roalahy nanambana basy tovovavy miisa telo tao Tahiti Kely vao ny 23 martsa teo. Mifonja vonjimaika ao Ambalatavoahangy avokoa izy ireo ankehitriny. Na eo aza anefa izany vokatra izany dia mametra-panontaniana ny maro hoe : karazana jiolahy mitam-piadiana sy mamono olona toy inona no alefa any Tsiafahy ? Sao ny fitazomana ireny jiolahy mitam-basy ireny ao Toamasina no mampirehareha fatratra azy ireny fa tsy ho ela izy ireo dia hivoaka ny fonja ka mamerin-keloka indray, ary vao mainka hahery vaika kokoa noho ny resaka valifaty. Mandeha mantsy ny feo fa misy manao tsindry ny hamoahana ireo jiolahy ireo am-ponja amin’ity herinandro masina ity. Mihorohoro ny mponina manoloana izany ka hanairan’izy ireo ny tompon’andraikitra sy ny fahefam-panjakana isan’ambaratonga handray fepetra hisorohana mety ny valifaty na koa fitsaram-bahoaka.
Toky R
Sary fanehoana
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,