Jiolahy miisa 11 no voasambotry ny Polisim-pirenena taorian'ilay fanafihana nitrangana teny Ambohidrazana Alakamisy Fenoarivo ka nahafatesana olona roa. Raha tsiahivina dia ny alin'ny 14 Marsa teo no nitrangan'io fanafihana io. Voaroba tamin'izany koa ny vola 300.000 Ar, peratra volafotsy roa, finday 4. Nitsoaka ireo jiolahy rehefa avy nanao ny asa ratsy. Tsy nipetra-potsiny ny zandary ao amin'ny Borigadin'i Fenoarivo izay notarihin'ny C B Fenoarivo sy ireo paositry zandarimaria feheziny fa nanao ny asany, nampiasa ny fahaiza-manaony nikaroka sy nanao hazalambo ireo nahavanon-doza. Voasambotra tsirairay vokatr'izany ireo andian-jiolahy nanao ny asa ratsy.Niatomboka tamin'ny olona mpifanila akaiky ny fianakaviana niharan-doza izany. Mponina eo Ambohidrazana ny efa-dahy tamin'izy ireo ary efa jiolahy mpamerin-keloka malaza ratsy amin'ny halatra sy fanafihana. Tonga hatrany Beravina/Sabotsy Namehana ny fisamborana. Jiolahy iray raindahiny no tsy maintsy natao izay hahazoana azy. Nandritry ny fisamborana ity farany anefa dia nanohitra izy ary nikasa haka ny basin'ny zandary mihitsy. Nosintominy teny an-tanan'ilay zandary ny basy ka nahavoatifitra tsy nahy ny fen'ity farany. Nahita izany ireo zandary namany ka voatery nampiasa basy ary lavo tsy afaka nanohy ny asa ratsy intsony ilay jiolahy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ilay zandary. Tafakatra 11 ny olona voasambotra tamin'ity raharaha ity izay samy atao famotorana avokoa ary ho atolotra ny fitsarana. Ny iray kosa moa dia namoy ny ainy.
Pati
Légende : Ireto ireo andian-jiolahy namono olona teny Ambohidrazana !
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny