airtel

Fandriampahalemana

16-mars-2026

FANAFIHANA

TENY AMBOHIDRAZANA FENOARIVO

Sample post image

Olona roa no namoy ny ainy, lasany hatramin'ny varavaramby

16-mars-2026

Nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika teny Ambohidrazana Alakamisy kaominîna Fenoarivo, distrikan'Atsimondrano afak'omaly Sabotsy 14 Martsa tokony ho tamin'ny 11 ora sy 45 alina nifoha omaly Alahady 15 Martsa. Jiolahy 20 lahy hoy ny loharanom-baovao azo no indray nanafika tokantrano iray. In-13 nanapoaka basy izy ireo nandritra izany ka nihorohoro tsy nisy sahy nivoaka ny mponina. Vokany, olona mianaka Ramatoa lehibe 67 taona sy ny zanany lahimatoa 39 taona raha vehivavy iray hafa no naratra ka voatery naiditra Hopitaly. Raha araka ny vaovao azo dia naharitra ora iray teo ho eo no nanaovan'ireo jiolahy ny fanafihana. Ankoatra ny kalach dia niasa avokoa ny basim-borona sy ny basy poleta hoy ny vaovao. Tsy nisy volabe anefa tao amin'ity fianakaviana lasibatra ity. Nalain'ireo tsy mataho-tody hatramin'ny varavaramby noho izany ary nentiny nitsoaka. Iray tamin'izy 20 lahy ihany moa no voalaza ho nanao saron-tava. Fantatra fa betsaka tamin'ireo mponina no naniry ny hanampy ity fianakaviana lasibatra ity saingy noho izy ireo tanam-polo dia tsy nisy afa-nanoatra. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
Pati
Légende : Tahaka izao sisa no nihafaran'ilay tranon'izy mianakavy kely !

 

Dans la même rubrique