airtel

Fandriampahalemana

12-sept-2025

FANAFIHANA TETSY ANKAZOMANGA

Olona 4 no voasambotra niaraka tamin'ny vola 144 tapitrisa Ar

Sample post image

Trano fandraisam-bahiny iray lehibe etsy Ankazomanga no nisy nanafika.

12-sept-2025

Naharay antso vonjy tamin’ny finday avy amin’ny mpitantana ny trano fandraisam-bahiny ny Sampandraharaha Anti-Gang (SAG), afak'omaly Alarobia 10 Septambra mikasika izany. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ireo ekipan’ny SAG raha vao nahare izany ka minitra vitsy dia tonga teny an-toerana. Jiolahy iray no voasambotry ny Polisy teo noho eo raha tafaporitsaka tany anaty elakelan-trano kosa ny namany, niaraka tamin'ny entana nangalarina, izay kitapo miisa roa samy misy vola. Nitohy ny fikarohana ka olona telo hafa no voasambotra, izay mpiray tsikombakomba tamin’ny fanafihana. Mbola tratra teny amin’ireto jiolahy ireto ny fitaovana toy ny finday, poketra, vola 144 Tapitrisa Ariary, ary vola vahiny 12.230 Dolara. Natolotra ny borigady misahana ny heloka bevava ny raharaha hanohizana ny famotorana, ary notanana atao andri-maso kosa ireo jiolahy.
Nangonin'i Pati

Légende : Hiakatra fampanoavana tsy ho ela izy 4 mianadahy ireto !

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

vaovao, manamboninahitra 14 niakatra galona

Card image cap
30-avril-2026

Nihena 4 indray ireo mpangarom-paosy

Card image cap
29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap