airtel

Fandriampahalemana

09-janv-2024

FANAKORONTANANA TAO ANATY HOTELY

Lehilahy roa indray voasambotra tany Diana

Sample post image

Lehilahy miisa roa 19 sy 20 taona no voasambotry ny polisy miasa any amin’ny

09-janv-2024

Faritr’i DIANA ny 08 Janoary lasa teo rehefa nanakorontana tao anaty hotely iray any an - toerana. Toy ny mahazatra, tsy mikely soroka ireo tompon’andraikitry ny Polisim-pirenena any an-toerana miandraikitra iny faritra iny amin’ny fanaraha - maso ny tanana. Anisan’ny mandray anjara mivantana amin’izany ireo Polisin’ny FIP. Nandritra ny fandalovana sy ny fanatanterahan’izy ireo ny asa fisafoana teo akaikin’ny trano fandraisam -bahiny iray tany an- toerana no nahatsikaritra fihetsik’olona roa hafahafa izay nitabataba tao anatiny izy ireo. Rehefa nozahana akaiky dia hita fa lehilahy roa mifampila vaniny sy nila ady no tao. Tsy nisalasala moa ireo mpitandro ny filaminana fa nandray andraikitra tamin’ny fisamborana azy roalahy ary nitondra ireto farany eny amin ‘ny biraon’ny Polisy. Nahitana antsy maranitra tany anaty paosin’ny iray tamin’izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpanankorontana !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap