airtel

Fandriampahalemana

04-nov-2025

Fanamafisana ny fitoniana sy filaminana

Hametraka paikady hentitra ny OMC Nasionaly

Sample post image

Natao omaly hariva tao amin’ny

04-nov-2025

Lapan’i Mahazoarivo ny fivoriana nasionaly niarahana tamin’ireo Minisitra mandrafitra ny OMC Nasionaly, notarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Herintsalama Rajaonarivelo. Nifantoka tamin’ny fametrahana paikady hentitra sy maharitra ho fanamafisana ny filaminana sy ny fitoniana ara-tsôsialy manerana an’i Madagasikara, araka ny tatitry ny fiadidian’ny Primatiora. Nandinika manokana ny fomba hanamafisana ny fiarovana amin’ireo sehatra rehetra tomponandraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny mpikambana. Nohamafisina fa ilaina ny fiaraha-miasa akaiky sy mirindra eo amin’ireo rafitra rehetra, na avy amin’ny foibe na amin’ny lafin-tany, mba hahafahana mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho an’ny olom-pirenena rehetra. Tapaka fa hampitomboina ny fahefam-panjakana amin’ny faritra sy distrika tsirairay. Nohamafisina ny andraikitry ny solontenam-panjakana amin’ny fitarihana sy fandrindrana ny asan’ireo OMC eny ifotony, ho fandraisana andraikitra hentitra amin’ny famerenana sy fanamafisana tanteraka ny filaminana. Nampahatsiahy ny Praiminisitra ny maha-zava-dehibe ny fanarahana lalàna, indrindra manoloana ireo adihevitra sy fifandirana mety hiteraka tsy fifankahazoana. Nanentana ny rehetra izy mba hijanona ao anatin’ny fanajana ny soatoavina fototra napetraky ny Fitondram-panjakana: ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana. Ireo no antoka haharetan’ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena. Isan’ny adidy goavana sy ilàna paikady mahomby avy amin’ny Fitondram-panjakana fanamafisana ny fiarovana sy hanatsara ny fiainam-bahoaka amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra hentitra, mirindra ary maharitra,… indrindra eo anatrehan’ny ambana politika samihafa. Ilaina ny fanamafisana ny filaminana sy ny fitoniana ara-tsôsialy sy ara-politika eto Madagasikara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Tonga ara-potoana tany amin'ny mpitandro filaminana ny vaovao

Card image cap
10-nov-2025

Voasambotry ny Polisim-pirenena avy

Card image cap
10-nov-2025

Naheno mialoha ny lehiben'ny

Card image cap