airtel

Fandriampahalemana

04-févr-2025

FANENDAHANA SY HALATRA ETO IARIVO

Olona miisa 3 no hiakatra fampanoavana

Sample post image

Lehilahy iray 35 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Poste Avancé de Police Ampefiloha

04-févr-2025

ny alin'ny 02 febroary teo. Saika hanendaka mpitondra moto iray teo Ampefiloha ity jiolahy ity ary teo am-panambanana vy maranitra an'ilay mpitondra moto izy no nandalo ny Polisy nanao fisafoana. Voasakana araka izany ny asa ratsy saika ho ataony ary nentina teny amin'ny biraon'ny Polisy avy hatrany ity mpanendaka ity natao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana. Ankoatra izay dia nisy fahaverezana fitaovana maromaro tao amina orinasa iray teny Ivandry. Taorian'ny fanadihadina nataon'ny Polisy dia olona 02 no nahiahiana ho tompon'antoka tamin'io asa ratsy io. Rehefa natao ny angom-baovao rehetra dia tratra ireto mpangalatra roa ireto ary mbola hita tany an-tranony ny fitaovana maro samihafa nangalariny ka vehivavy ny iray.

Pati
Legende : Ireo olona roa nangalatra fitaovana teny Ivandry !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2026

voaroba sady voatsindrona antsy teny amin'ny RN4

Card image cap