airtel

Fandriampahalemana

26-juil-2023

Fandriampahalemana

Faritra Menabe Andihizan’ny dahalo tanteraka!

Sample post image

Manjaka tanteraka ny asan-dahalo any amin’ny Faritra Menabe. Voakasik’izany manokana ny omby izay hataon’ireo dahalo lasibatra mihitsy.

26-juil-2023

Raha araka ny vaovao azo tao anatin'ny 300km ao anatin'ny faritra Menabe dia in’efatra nifanena tamin'ny andian'olona manara-dia omby nisy nangalatra ireo tompon’andraikitra. In-droa tao anelanelan'i Maindrivazo sy Malaimbady, in-droa tao anelanelan'Ankilizato sy Analaiva. Omby nisy nangalatra avokoa ireo narahin’ny fokonolona ireo izay nahatratra an-jatony. Mikasika ireo omby efa tafaverina amin’ny tompony izay tratra tao Analaiva Morondava ohatra dia niverenan'ny mpangalatra indray roa andro taorian'ny nahazoany azy ka nanjavona tanteraka. Mandry andriran'antsy, miaina anatin’ny tebiteby tsy misy fahataperany ireo mpiompy omby any an-toerana noho izany. Tsiahivina moa fa misy hatrany ireo mahazo tombony amin’ny halatr’omby tahaka izao eto amintsika raha mifatratra any amin’ireo mpiompy kosa ny fahasahiranana.
Pati
Legende : Omby very tao Analaiva ireto amin’ny sary ireto !
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap