tena henjana sy nampikolay ny maro teny amin’ny Fasan’ny karana. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Polisim-pirenena teny an-toerana ny datin’ny 05 Septambra teo no nahatrarana azy ireo.Tamin’io andro io tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany maraina raha tsiahivina dia nisy lehilahy roa tratra ambodiomby teo am-pangaronana paosin’olona. Tsy tahotra tsy henatra izy ireo fa toy ireo olona mivoaka ny trano miasa isan’andro ihany, ary tsy maintsy mitondra vola mody amin’ny alalan’ny fandrobana sy fangalarana fananana sy volan’olona. Nanao fanamiana sivily moa ireo polisy ka nahatratra azy roalahy ireo. Fomba fiadin'izy ireo hoy ny vaovao ny manararaotra ireo olona misisika taxi-be ka mifangaro ao anaty olona ao. Nentina avy hatrany teny anivon’ny Kaomisaria izy ireo nanaovana fanadihadiaana ary niakatra fitsarana omaly Alatsinainy. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy roalahy.
Pati
Legende : Mpangarom-paosy tahaka izao avokoa no mameno ny fonjaben’Antanimora !