Tambazotra iray, mpamaky trano sy mpanondrana entana halatra avy ao Fenerive-Est mankaty Antananarivo izy ireo raha araka ny fantatra. Tena nampikaikaika ny mponina any an-toerana tokoa raha tsiahivina ny fisiana vakitrano mateti-pitranga ka ny «écran plat» sy ny « ordinateur portable » no tena alain’ireo olon-dratsy amin’izany. Nanokatra fanadihadiana ny polisy nanoloana izany. Nisy ny ‘Barrage’ izay natao ka olona miisa 02 no voasambotra niaraka tamina ecran plat 01 sy ordinateur portable 01. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa tafiditra ao anatina tambazotrana mpanao ratsy izy ireo. Fantatra moa fa alefan’izy ireo aty Antananarivo ireo entana very ireo. Fiara manokana mpitondra entana no handefasany azy, ary efa misy lehilahy mpiray tsikombakomba amin’izy ireo . Rehefa tonga eto Antananarivo ny entana dia efa misy olona hafa koa mandray sy mivarotra ireo entana halatra ireo. Noho izany dia nosamborina avokoa ireo olon-dratsy ireo. Olona miisa 06 no voasambotra ka vehivavy ny 02 amin’ireo. Natolotra ny fampanoavana afak’omaly Talata izy ireo ary samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.
Pati
Legende : Vehivavy ny roa amin’izy ireo !
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,