Sitraka, mpianatry ny lisea ao Fenoarivobe indray no voalaza fa nisy nitifitra tamin’ny basy ka namoy ny ainy ny alin'ny Alahady 21 May lasa teo. Raha araka ny fantatra dia an-dalana hamonjy fodiana Ratompokolahy tamin’io fotoana io rehefa avy nijery fampisehoana nataon'ny mpanakanto iray. Feom-basy maromaro no fantatra fa ren'ny manodidina nandritra izany tokony ho tamin'ny 8 ora alina latsaka kely. Ankoatra an-dRatompokolahy izay nambaran’ny fianakaviana fa nisy lavaka boribory diam-bala ny vatany antony nahafaty azy dia nisy hazo niantefan’izany bala nifanesy izany koa izay azon’ny fianakavian’ny maty sary tsara. Raha araka ny nambaran’ilay mpitsabo nijery ny razana anefa hoy hatrany ny vaovao dia tsatok’antsy no nahafaty an-dRatompokolahy. Mitaky ny hamoahana ny marina mahakasika ny nahafaty an-janany araka izany ireo fianakavian’Itompokolahy Sitraka. Tsiahivina moa fa anisan’ny tena faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny distrikan’i Fenoarivobe. Manjaka hatrany ny vono olona ankoatra ny fanafihan-jiolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Hita teto amin’ity toerana itangoronan’ny olona ity ny vatana mangatsiakan-dRatompokolahy.
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe