zandarimariam-pirenena ao Boeny notarihin'ny kaomandin'ny vondron-tobim-pileovana, ny Kolonely Randriamahery Faniry niaraka tamin'ireo rantsamangaikan'ny fitaterana isan-tsokajiny toy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny DGSR, ny Polisim-pirenena, ny Fitaleavam-paritry ny fitaterana ao Boeny,.... Nitafa tamin'ireo mpisehatra amin'ny fitateram-bahoaka mitrandraka ny zotra nasionaly izy ireo nandritra izany ka anisan’ny nivoitra ny fametrahana ireo paikady mahomby hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fanafihana any amin’ny lalam-pirenena faha-efatra sy faha-enina hanatsarana ny fitaterana ireo mpanao vakansy hihazo an'i Mahajanga. Tanjona ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny tranga tsy ampoizina eny an-dalana. Nifamarafara tsara moa ny roa tonta ary samy vonona handray ny tandrifiny mba ho fialan-tsasatra lavitry ny loza no hivoahan’ny mpiala sasatra an’Antananarivo fa tsy sanatria fanafihana na loza mety hamoizana aina sanatrian’ny vava.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,