airtel

Fandriampahalemana

08-sept-2026

Fifampiraharahana

goavana ara-pitsarana

Sample post image

Sinoa 50 voaheloka higadra teto nalefa any Sina

08-sept-2026

Notanterahana omaly 07 Septambra 2026 ny famindrana ny andiany voalohany tamin’ireo teratany Sinoa miisa 50 voaheloka teto Madagasikara noho ny heloka mifandray amin’ny fisolokiana an-tserasera na « scamming », araka ny tatitra ofisialin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nisy ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny "INTERPOL" sy ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara, ka niainga tao amin’ny Fonjaben’Avaradrano izy ireo ho any Sina. Nambara fa tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Fanjakana Entim-bahoaka an'i Sina amin’ny ady amin’ny heloka bevava miampita sisin-tany izao hetsika izao. Ny Minisiteran’ny Fitsarana no niandraikitra ny fizotry ny famindrana, araka ny lalàna sy ny fombafomba ara-pitsarana manan-kery, miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka amin’ny fiarovana ny hetsika. Nambara fa dingana lehibe amin’ny ady amin’ny heloka bevava miampita sisintany izao hetsika izao, ary manamafy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana sy ara-piarovana eo amin’i Madagasikara sy i Sina izao. Manamafy ny Fanjakana Malagasy fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna ary tanterahina amim-panajana tanteraka ny didim-pitsarana, araka ny nambaran’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
TAMBAJOTRA GOAVANA
Raha tsiahivina volana martsa, namoaka tatitra ny Fanjakana, fa misy orinasa iray mampiasa teratany vahiny am-polony maro ao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray eny Ambatomirahavavy, izay narahan’ny Service Central de la Surveillance du Territoire sampandraharaha manara-maso ny fivezivezen’ny vahiny eto Madagasikara maso. Nampiahiahy, ka nanaovan’ny Polisimpirenena bemididina 19 sy 20 Martsa 2026. Teratany vahiny miisa 83 avy amin’ny firenena maro samihafa no voasambotra. Nandritra ny fisavana, nahitàna solosaina 170 tao amin’ilay toerana, ary hita fa tsy nahafeno fepetra ara-dalàna momba ny taratasy fahazoan-dalana hipetraka sy hiasa eto Madagasikara ireo vahiny voasambotra. Ankoatra ny fisolokiana an-tserasera na « scamming » voalaza ery ambony, tany amin’ny volana jona ihany koa no efa nilaza ny Fanjakana fa voamarina ny fisian’ny tambanjotra vahiny mirotsaka amin’ny asa miendrika hosoka ara-bola antsoina hoe "Skimming", izay ny resaka kaody sy kaonty amin’ny banky no lasibatra amin’ity, ampiasana fitaovana elektronika manokana hangalarana ny mombamomba ny karatra banky sy hanaovana fanodikodinana ara-bola. Teratany vahiny avy amin’ny firenena maro no voarohirohy. Olona 34 no voatazona am-ponja, ary vahiny 64 kosa no noroahina hiala ny faritry ny Repoblika.
AVY AMIN’NY FIRENENA SAMIHAFA
Tafiditra amin’ireo voakasika ny avy any Bangladesh, India, Indonezia, Vietnam ary Shina, izay voatondro ho nandika lalàna na ahiahiana ho mifandray amin’ny tambanjotra mpanao hosoka ara-bola. Mbola nisy ihany koa ilay sakoroka tamin’ny orinasa iray teny Andohatapenaka, izay voalaza fa nampiasa olona 700 izay mifandraika amin’ny raharaha tahaka itony. Midika fa betsaka ny asa ratsy eto Madagasikara ataon’ny vahiny eto. Zava-dehibe ny fifampiraharahana toy ity niarahana tamin’ny sinoa ity, saingy mety hanitikitika ny sain’ny mpanara-baovao sy mety hampametra-panontaniana ihany hoe : nalefa nody izany ireo sinoa fa inona antoka fa tena hisazy izy ireo rehefa any? Raha misy Malagasy tratra amin’ny zavatra tahaka izao migadra any Sina na firenen-kafa ve mety ho votsotra hanefa sazy aty Madagasikara?
Toky R

 

Dans la même rubrique

08-sept-2026

tsy ara-dalàna sady mpangalatra iray tratra

Card image cap
08-sept-2026

Nihena 02 ireo mpangarom-paosy

Card image cap
07-sept-2026

Ny faran’ny volana aogositra no

Card image cap