airtel

Fandriampahalemana

20-mars-2024

FIKAMBANAN-JIOLAHY

Telolahy nosamborin'ny polisy tao Antsiranana

Sample post image

Tovolahy miisa 03 no voasambotry ny Polisy tao Antsiranana ny 18 Martsa

20-mars-2024

rehefa nihetraketraka tao anaty fikambanan-jiolahy. Raha ny fantatra dia mpikambana amin'ny vondrona tanora hatao hoe : DAKAR ao amin'ny Fokontany Ambalavola izy ireo ary mampihorohoro ireo tanora any amin'ny Fokontany hafa ao an-toerana ihany koa.Araka ny fanadihadiana dia isan'ireo voarohirohy tamin'ny famonoan'olona ny 24 Febroary lasa teo ireto tovolahy ireto. Efa misokatra moa ny fanadihadiana hataon'ny kaomisaria ao Antsiranana mikasika izany. Marihina fa mila tsy ho tamana ao Antsiranana mihitsy ireo olona avy eto an-drenivohitra mifindra monina any an-toerana mikasika ny fisian’ireto andian-jatovo tia hetraketraka ireto. Ankoatra ny fanakorontanany fiaraha-monina mantsy dia mitady hamono mahafaty mihitsy izy ireo indraindray. Amin’ny alalan’ny tora-bato, ny fandrangarangana antsy lavalela mandehandeha eran’ny tanana no hanaovany izany koa hanaovana antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Ireo andian-jatovo mpihetraketraka ao Antsiranana efa voasambotra !
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap